Hetsiky ny fikambanana ho an'ny teny iraisam-pirenena Esperanto. Isika mpikambana iraisam-pirenena ho an'ny teny Esperanto mba ho fampandrosoana azy, dia hampita izao ezaka izao amin'ireo fitondrampanjakana, fikambanana iraisam-pirenena sy olona tsara sitra-po, hanambara amin'ny tanjona izay voasoritr'ity ary manasa ny fikambanana tsirairay sy ny olom-pirenena mba hirotsaka ka hanohana izao ezaka ataontsika izao.

Ny taona 1887 nisy antso ho toy ny drafitr'asa ho amin'ny fifandraisam-pirenena ary mba hampivoatra haingana eo amin'ny tontolon'ny fiainana, ny taonan'ny Esperanto dia efa ho zato taona amperin'asa mba hampiray ny olombelona voazarazaram-pitenenana isan-karazany, ary koa voaefitry ny kolontsaina samy manana ny azy. Eo anelanelam-potoana, ireo mpiteny azy dia tsy nanary velively ireo zava-dehibe sy ny sotoavina. Na ny fampiasana teny vitsivitsy eran-tany, na ny fandrosoana maro entin'ny fifandraisana ara-teknika, na koa ny fitrandrahana ireo fomba vaovao ho fampianaran-teny dia manamarina izao feinitra manaraka izao, izay isika no mampisy lanja mazava sy hampivoitra ny onjam-peon'ny teny.

1. FANEHOAN-KEVITRA Fomba fifandraisana izay manome aina manokana ny olona tsirairay avy nefa mifampiankina ny tsirairay, dia tokony ho vonona izy ireo ho amin'ny ezaka mandavan-taona mba hatratrarana ny dingana mazava mba ho fototry ny fanehoan-kevitra ary koa na dia tsy tonga lafatra aza ny Esperanto.

Isika manamafy fa tsy fitoviam-pitenenana dia mazàna mirona ho amin'ny tsy fitoviam-pifandraisana eo amin'ny sehatra samihafa. Isika dia fikambanana ho amin'ny fifandraisan'ny fanehoan-kevitra.

2. FIFANDRAISAM-PIRENENA EO AMIN'NY FANABEAZANA Ny fiteny kely angaha atao hoe madinika dia mifamatotra ary voafaritra eo amin'ny kolontsaina amin'ny firenena tsirairay avy. Ohatra, ny mpianatra izay mianatra ny teny anglisy, na mianatra momba my kolontsaina, jeografia sy ny politika ho an'ireo tany miteny anglisy, indrindra ny Amerika sy Angletera, araka izany dia voafetra hatreo ihany. Ireo mianatra ny Esperanto kosa dia mianatra eo amin'ny tontolo tsy voafetra ary izay firenena na iza misy azy dia olona ao an-tranony ihany izy ireo.

Isika manamafy fa ny fandalimana na amin'ny teny inona na amin'ny teny inona dia voafatotra sy voafetra ihany eo amin'ny tontolo iainana. Isika dia fikambanana ho amin'ny fifandraisam-pirenena eo amin'ny fanabeazana.

3. FIASANA MAHOMBY ARA-PEDAGOJIA Ampahany ihany amin'ireo mianatra ny teny vahiny no mahafehy azy tsara. Ny Esperanto kosa dia azo ianarana samy irery, azo lazaina fa feno eo amin'ny lafiny rehetra. Ny fianarana maro isankarazany manome tatitra fa ny fampianarana amin'ny teny vahiny angaha dia mitondra fahombiazana. Misy ihany koa sahy manambara fa ny Esperanto ihany vao mainka tsara eo amin'ny fianaran'ireo mpianatra mandalina ny teny.

Isika manamafy fa ny fahasarotan'ireo teny vitsy manpiasa dia zary sakana loatra ho an'ireo mpianatra, izay tsy maintsy mianatra teny roa. Isika dia fikambanana mikendry ny fahombiazam-pampianarana.

4. FAHAMAROAN-TENY Ny fiaraha-monina eo amin'ny Esperanto dia iray amin'ireo fiaraha-monina misy eto an-tany ka ireo mpiteny azy dia tsy manavaka teny noa na maro. Ny fiaraha-monina eo aminy dia mandray andraikitra hianatra farafahakeliny teny vahiny iray hatramin'ny hahaizany mifehy azy tsara. Antony maro moa no mahatonga hianatra ho amin'ny fitiavana ny teny maro ary amin'ny ankapobeny dia finiavan'ny tsirairay ho amin'ny fivelarana izany.

Isika dia manamafy fa ireo mpikambana amin'ireo teny maro, na kely ireo na lehibe dia tokony hametraka mazava tsara ny fototra ho amin'ny famaritana ny teny faharoa izay ianarana ka hatramin'ny fahaizana azy avo lenta. Isika dia fimanbanan ho amin'ny fampitaovana eo amin'ny lafin'ny fahombiazana.

5. NY ZON'NY TENY Tsy mitovy velively ny fizarazarana eo amin'ny hery samihafa ireo teny tsirairay ho amin'ny fahatsapana fa misy mizana tsindrianila eo amin'ny sehatra maro amin'ny mponina, maro tokoa io. Eo amin'ny fiaraha-monina Esperanto kosa, ny mpikambana dia mivory tsy misy fiandamiana na teny kely na lehibe, na fiteny ofisialy na tsia, ary eo anivon'ny tsy fiombana na eroa na etsy noho ny fifandraisana mazava iaraha-mientana. Izany fifandanjan-kery izany eo amin'ireo teny samihafa dia manana ny andraikiny avy mba hampivoatra ary mitondra vahaolana ho amin'ireo tsy fitoviam-pitenenana zary misy disadisa.

Isika manamafy fa ireo hery maro misy eo amin'ny fitenenana samihafa dia mihady lavaka ho amin'ny tsy fahazoana antoka ireo tahirin-kevitra iraisam-pirenena ka ny fitoviana azo antoka eo amin'ny teny no tsara. Isika dia fikambanana ho an'ny zon'ny teny.

6. FAHASAMIHAFAM-PITENENANA Ny fitondrampanjakana eran-tany dia manamarika ny fisian'ny fahasamihafa ny teny eto amin'izao tontolo izao ary sakana lehibe ho amin'ny fifandraisana izany sy fivoarana ihany koa. Ho an'ny fikambanana Esperanto kosa my fahasamihafana dia tsy vato misakana velively eo amin'ny loharano azo tovozina.

Araka izany ny teny tsirairay dia karazana zava-mahavelona lafo vidy tokoa ary mendrika harovana mandramaty. Isika dia fikambanana ho amin'ny fandalàna ny fahafamihafam-pitenenana.

7. FAHAFAHANA MAHA-OLONA My teny tsirairay dia manafaka ny mpiteny azy ary manome azy ireo fifandraisana samy izy, kanefa zary sakana ho azy ireo ny fifandraisana amin'ny fiteny hafa. Drafitra toy ny fifandraisana eran-tany, Esperanto dia iray sy goavana eo amin'ireo sotoavina sy vinavinan'asa ho amin'ny maha-olona. Drafitr'asa ho amin'ny olona tsirairay mihitsy mba hahafahany mandray anjara eo amin'ny fiaraha-monina, koa ny fototra hiaingana amin'izany dia ny kolontsaina, ny fitoviam-pitenenana nefa tsy mamatotra azy ireo.

Isika dia manamafy fa ao anatin'ny fampiasana ny fitenim-pirenena tsirairay avy dia tsy midika fa misy sakana na fanerena anaty ho amin'ny fananganana fikambanana. Isika dia fikambanana ho amin'ny fahafahana maha-olona.